Noho ianao (H.Nirina)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOHO IANAO
.
Mba manga fibanjina lahy 'zato lanitra
Fialoka tokan'ny andro sy ny alina
Fibanjin'ny tia s'ireo fo manimanina
Mahatonga ny entona ho toa manimanitra
.
Mba mafy fidoboka ny onja any ho any
Mpandrotsy ny fo 'zay vesarin'ny sento
Injany fa reko,toa hafa fitepo
Fa nisy nilaozan'ny tiany hono omaly
.
Hiran'ilay Railovy nandalo
Nahelin'ny rivotra ho tonga tsy satry
Nitsapa ny fery tsy sitrana anaty
Narian'ny saina t'anaty vinany
.
Firedon'apongan'ilay hira Gasy
No tonga nandimby ny tsiaro tsy laitra
Ka indro voatery nihiaka,nanaitra
Nanako ho ren'ny tato sy tatsy
.
'lay afo nandoro ny ala Antsinanana
No tonga nandrangitra ny atin'ny Rova
Tsy hoe fampitaha,f'ireny dia loza
Fa lelakin'ny atin'ny foko:"Fitiavana"
.
H.Nirina
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
804 1
Fans: Miits5iky
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : H.Nirina
Inséré par : Miits5iky
Date : 30/10/2017 18:21
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144