NIFOHA INDRAY (Zoky Eric)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hiverina aho hikaloNdeha hanoratra indray
Hizara tononkalo
Fa efa ela ela izay.
Niova anarana ho gasy
Fa tsy toy ilay taloha
Dia ny anarako atsy ho atsy
Gasy hampifoha.
Ireo asa soratra fahiny
Tsy hadino akory ireny
Fa ho fenoiko ankehitriny
Dia ny soratra sy teny.
Tononkalon'alahelo
Tononkalo mampisaina
Ireo hany tsy ambara-telo
Sy ireo singa tena ilaina.
--------
Lien:
Catégorie :
Kolontsaina - embona - Tanindrazana - Fahatsiarovana - fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana