RERAKA NY MITIA (Zoky Eric)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa dia nahoana loatra re ?
No tsy mba nisy teny mamy
Sady hodinao koa tsy re
Raha sendra nanotany.

Ny teny mamy izay nomeko
Teny anavona no valiny
Ny kajim-pitia no fefeko
Tsy mba hainao ny totaliny.

Ny rano masoko ny jojo
Tsy nasianao sira izany
Ny mason-tsika nifanojo.
Nampirotsaka tomany.

Ny bitsibitsiko mangina
Niampy teny mamy kely
Nefa tsy norarahiana
Fa dia navelanao ho irery

Niezaka aho namalifaly
Raha mbola tratry ny heriko
Ianao anefa tsy namaly
Ka toa zary lasa feriko.

Ankehitriny aho mahatsapa
Fa efa foana ny fonao
Ilay fitia ho latsapaka
Indrisy anefa fa nandao.

Ny fahendrena dia ny miala.
F'izay no tianao ho tanteraka
Tsara tsodrano ianao malala.
Fa ny foko efa reraka.

Reraka ny mitia anao
Nefa ianao tsy tena tia
Ka dia haleoko re handao
Fa nofinofy ilay ho doria.

page fb: H_Eric
--------
Rohy:
1095 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : H_Eric
Daty : 04/05/2019 10:37
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098