N E N Y (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satria tsy teo i Dada
Ianao nifoha maraina
Nampianatra ahy hibada
Nazoto tsy nalaina

Teo an-doha fandriana
Rehefa injay nandazo
Fa nampiady saina
Ny kohaka sy tazo

Dia niari-tory koa
Namita ireny zaitra
Mba hahitako soa
Kanefa tsy nanaitra.

Ianao nikiry hatrany
Nanao 'zay rehetra mety
Na tsiky na tomany
Rehefa andro fety.

Rehefa vaky felana
Ilay foko mba nitia
Ianao nanelanelana
fa sao dia sanatria...

Tsy àry ho voatanisa
Ireo soa natosakao
Anjarako no sisa
Ny mahatsiaro anao.

Ka minoa ry Neny
Fa tsiaro tsy mba maty
Ireny lasa ireny
Fa iainako ato anaty.

Fa noho ianao ihany
No naha toy izao ny amiko
Na tsiky na tomany
Tsy mba hamaivaniko.

Handalo ny fotoana
Ho osa ianao fa nofo
Dia hohajaiko foana
Ny ho avy no porofo

Tsy ampy ny misaotra
Anao ry Neny tiako
Fitiavana mihoatra
No foinao hifaliako.

Ny tompo anie hitahy
Ny andronao rehetra
Fa nahasambatra ahy
Ny fiahinao tsy hita fetra.

Ry Neniko tsy foiko
Nampianatra ahy hamindra
Tsy mba hohadinoiko
Ka de misaotra indrindra.

#Harylovah
--------
Rohy:
1658 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 20/05/2017 14:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097