NY KOLIKOLY (HaryNome)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay Taona mirakitra ireo tantara nolalovany MalagasyMpanjaka, fanjanahana ary fahafahana nanjary zava-mahafaty
Tontolo namolavolana hoe afaka sy repoblikana
Nefa nanjary kolikoly vonoan'olona tsy nifankahitana
Na eo aza izany mifohaza ry Malagasy
Fa efa andohalika ity ny ranombary
Mba andeha hiaingana hanoratra tantara vaovao
Fanantenana Madagasikara soa ho ahy sy hoanao
Mety hilaza ianao fa atody miady amam-bato
Nelson Mandela anie Taona maro niady ho an'ny fitoviana tsy ny ato
Nandresy izy tamin' ity farany izay nitondra fiovana ho amin'ny fitovina
Hoan'ireo olona mainty maro ory sy nijaly niaina eso sy ny fanambaniana
Isika koa manana rafitra samy hafa miady amin'izany dia ny fahamarinana avy any Ambony any
Miampy ireo rafitra miady amin'ny kolikoly ao Iarivo sy manerana ireo Faritany
Izay natomboka tamin'ny Taona telo sy roa arivo
Natao ho sitrahin'ny olona tsy anavahana na mahantra na Mpanarivo
Dia ny BIANCO, SAMIFIN sy PACK ary ny ARAI,... sns
Nga hoy ianao raha miady isika Gasikara tsy ho lasa paradisa !
Tsy izay ihany aloha fa ny toetsaitsika sy ny fahazarantsika koa mba beazo ho amin'ny tsara
Ianao ve dia hilaza fa mahantra isika manana ireo harena miampy irony toerana mana-tantara
Fohazy sy voleo ary ajoroy ny finoana velona hoany dimby sy ny Taranaka any afara
Raha afaka taona maromaro anie dia hiova ilay nosy mena alokin'ny fandrosoana mahagaga
Mitsangana, mandondona ka atombohy avy amiko sy aminao
Fa nitovy amintsika nianga taminy tsy izy ihany koa anie izao tontolo izao
Mitovy amin'ny menaka kely aidina amin'ny Taratasy izany
Raha sahy isika dia hatahotra mba amin'ireo vahiny mibodo ny tany
Entano ny ankizy sy tanora ary lehibe mba sahy hiady amin'ny kolikoly
Inoana fa afaka folo taona ny tsolitra dia ho halaviritsika toin'ny fasana na ''kibory ''
--------
Lien:
Catégorie :
Fananarana