Ilay Reniko tsy foiko. (Hasina ANDRIANARIVO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay Reniko tsy foiko.

Herintaona lasa izay
No nandaozany anay,
Mitamberina ireo tsy hay
Izay niarahana hatrizay.

Fahatsiarovana maharitra
An'i Mama izay tsy foiko,
Ilay nitaiza ahy ho finaritra
Ka raketiko ao am-poko.

Maro be tsy ho voatanisa
Raha ny soa izay nomeny,
Ka miventso no any sisa
Hamelomako azy ireny.

Izao no tonga ao antsaiko
Izay ho entiko hamaranana,
Ny teny farany ho lazaiko
"Mandria am-piadanana."

Hasina ANDRIANARIVO © 2015
--------
Rohy:
1684 1
Mpakafy: hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hasina ANDRIANARIVO
Nampiditra : hsn5
Daty : 08/04/2015 09:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147