ABIDIAN'NY ZANAKA (Heriarilala Andriamamonjy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ABIDIAN'NY ZANAKA A
Ambara fa olona mamin'ny fo
Anatin'ny kibo nitoerany koa
Andro aman'alina ikalokaloana
Anatin'ny nofy koa mbola vetsoina.
B
Bolangina kely sy mahate ho tia
Betsaka ny olona liana satria
Be tsikitsiky sy mirana lava
Bitsihina kely dia faly ny tava.
D
Deraina ny Tompo nanolotra anao
Dia faly ny foko hatramin'izao
Dimbin'ny anarako ianao ry Malala
Dorehi-pitia ity foko adala.
E
Endrika mamy no sady lalaina
Eny, ifaliana fa sombin'ny aina
Efaiko ny adidiko hahasoa anao
Ekeko izay vitako sy azoko atao.
F
Fiainana kely sy mahavariana
Feno hatsarana ka mahasondriana
Fahagagana avy any ambony
Felan'ilay fitia tera-bony.
G
Genagenaina fa mbola malia
gidragidraina no atao sanatria
Gian'ny fo roa efa nifanohy
Goavana ianao mahay mampifandrohy
H
Hasambarana be tsy lany hamamiana
Hameno ny foko sy hanala hakiviana
Hanitra soa mameno ny tranoko
Harena tokoa sady lova nomaniko.
I
Ilay aina tanatiko sy izaho ankiray
Ianao ilay anjara nirina hatrizay
iadanan'ny foko tsy ho be sentosento
isambarako tsara f'efa anilako eto.
J
Johary mazavan'ny androko ety
Joretra ny foko raha tsy anilan'indry
Jejo ny tenako mitrotro ilay tiana
Jenitra ery fa mba iangotiana.
K
Kevoka kely aho rehefa miantsena
Kilalao tiana no an-tanan'ny tena
Kely dia kely fa maro mpahita
Ka be ny mizaha sy mitsiriritra.
L
Lalaiko ny zanako fa sarobidy
Lalan'ny fiainako sady finidy
Laro nanova ny diako ho manja
'lay olona kely mpifalihavanja.
M
Malala kely mpihanta mpiangoty
Meteza ho anilako f'izaho mahatoky
Mahalala tsara ny hahasoa anao
Mahay mitia ka tsy mba handao.
N
Notahitahiko ianao ho tonga eto anilako
Nokenaiko tsara fa tsy nandosirako
Narovako foana tsy ho azon'ny sampona
Nihasoa ianao ka indro aho talanjona.
O
Olona tiana ka ampy sangy
Omen-kafaliana, omen-tambitamby
Orohana kely raha mila hitomany
Ononina indray mba hitony ihany.
P
Porofon'ny fo nifangia tany ho any
Poa toy izay dia tonga eto an-tany
Papozy kelin'i Dada sy i Mama
Peperako ianao tsy hanao hadalana.
R
Rehefa mibanjina anao ireto maso
Rendrika anatin'ny endrikao kanto
Raiki-pitia ka mila hamihina
Resim-pitia rehefa tena dinihina
S
Soa ny fiainako nahazo anao
Sesehana ny mamy gohiko izao
Sambatra mihitsy aho raha atao be filaza
Satria nomen'Andriamanitra zaza
T
Tsiky mandravaka ny andro rehetra
Tolotry ny Avo no efa tomoetra
Tena haravoana manenika anaty
Tezain-ko vanona mba tsy ho olon-dratsy.
V
Volana baliaka ka ny aliko mazava
Vony manjopiaka mahamirana ny tava
Valim-bavakay raha niandrandra lanitra
Valisoa anay ka tena mahafinaritra.
Z
Zavaboahary mba kolokoloina
Zaza nateraka ka imasoana
Zatra anao sahady ny foko adala
Zava-tsarobidiko ianao ry Malala.
Ratsimbazafy Heriarilala Andriamamonjy 28-05-26 21:29
--------
Lien:
