Aloka (Heriarilala Andriamamonjy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy manalokalokamaniry ahy tsy haharitra
amin'ny fonao tena tia...
Tsindriany nofy ratsy
toa tsy zaka tsy ho tanty
fa mampiverin-dia !
Dia velona ny "sao",
miavosa ny "f'andrao";
manomboka manahy
andrao mihodina tsy hita
na koa joko tsoriaka
ilay tian'ny fanahy !
Manomboka mihasarotra
na dia mahafinaritra
ny fiarahana aminao.
Fa be mpanelingelina
ireto olombelona
ka inona no hatao ?
Heriarilala Andriamamonjy 23:21
21/02/25
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
