Antoky ny aiko (Heriarilala Andriamamonjy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANTOKY NY AIKO

Ianao ?
Ilay rivotra fifokako
Ianao ?
Ilay rano soa figokako
Ilaozanao toa karakaraina
Tsy misy anao toa tsy afa-miaina

Ianao ?
Fanilo mpanazava
Anilanao ?
Ny tahotra misava
Ilaozanao toa toto-pahamaizinana
Havalirinao, ialan’ny fanambinana

Ianao ?
Tomoera anilako eto
Ny hanitrao ?
Injao manentoento
Anilanao, mamerovero hanitra
Tiavinao, miadana finaritra

Heriarilala 23 /01/ 2018
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
25 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0126