Antsoina an'efitra (Heriarilala Andriamamonjy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Antso an'efitra

Nantsoina
tsy nanoina ;
namela hangaihay
ny fony nanantena...
Eny sahisahy
nijery hangenahena
ny fony osaosa,
ny sentony niavosa...

Novonoina,
nohadinoina
ny tantarany
mahaliana,
ny anarany
niangotiana,
nohajaina,
nolalaina...

Nantsoina
tsy nanoina ;
namela hangaihay
ny fony nanantena
ketraka fanahy,
lavo fa nivena ;
ny vina tsy tontosa,
ny heriny nihaosa.

Heriarilala Andriamamonjy 09/09/2022
21h58
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
42 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118