Aza miherika (Heriarilala Andriamamonjy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA MIHERIKAMeteza ianao hiadana amin'ny fitiavana atolotro
Ilay akanganao izay lasana aloha tsy ho voasoloko
Ny kalokalony taloha tsy hoentiko miangola
Ny ngadontsika roa no 'ndao hiaraha-midola.
Ny anarany fafana tsy hifanosona amiko
Ny diany sasana fa raha tazako tsy tantiko
Ny tepo-poko henoina ho mozika handihizanao
Ny sofiko dontoina amin'ny taralalinao
Dia meteza ianao ho sambatra amin'ny kely izay mba haiko
Mba miezaka aho mianatra izay takatry ny saiko
Izaho tsy safononoka harena amam- pananana
Fa ampoka fitia mahantoka fiadanana
Meteza ianao ho tretrika amin'ny paradisantsika
Aza tia miherika amin'ny tsiaro an'alin-kisa
Ny ankehitriny ianohana, ny ampitso andao homanina
Ny omaly tsy hifantohana fa mahasaro-panina.
Heriarilala 16/02/23 20:52
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
