Fianara-mandahatra (Heriarilala Andriamamonjy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fianara-mandahatra

Isa ny zanaka, eo koa ny vady
Tsy azo sarahina ny mpianakavy
Roa ny ray aman-dreny sy ireo iray tampo
Olona mamy tsy atao kitoatoa
Telo ny havana sy fianakaviana
Ireo no filahatry ny olon-tiana
Efatra, namana mpiara-mikonona :
Ireo mpiray fikambanana sy mpiara-monina
Ny olom-pantatra, ny mpiara-mivavaka
Ataovy fahadimy tsy misy ankanavaka
Ny mpanaraka rehetra sy namana an-jotra
Asiam-pitandremana andrao manodoka
Rehefa mitafa valiana eny ihany
Fa tsy voatery ho tia re no dikan'izany
Izay mpiarahaba eny an-dalambe
Valio tsiky raha sendra mandeha
Tsy izay mahay misariaka dia hianteherana
Tsy ny olon-drehetra no ilam-piheverana
Raha misy ny olona tokony hohajaina
Dia ny akaiky ny tena aloha no karakaraina
Kanefa tsy ilaina ny manao tsinontsinona
Mivatsia ny mamy, ny tsara vimbinina

Heriarilala Andriamamonjy, 19 Aogositra 2026
06:06
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
19 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0125