Fitia ampitain-davitra (Heriarilala Andriamamonjy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA AMPITAIN-DAVITRA Nandefa sary ianao, drinaiko soa aman-tsara.
Fihiniko eto an-tratra, dia banjiniko tsy ankiala.
Iriko ho toy izany ianao maharay ny avy atỳ.
Inoako fa mitsiky sy falifaly ery.
Dia sary ifampitana no endri-pihaonantsika:
ao no mifampibanjina, ao no mifankahita
ao no mifandray, ao koa no mifamihina
ao ny endriko jerena, ao ny toetrako dinihina.
Mateti-mifanoratra fa te hitafa foana !
Eto Ampesiboky no mifanao fotoana
fa ny eto manko mihiboka ny lalana mihidy ;
ny fo mifanalavitra tsy manana safidy.
Fa ny rano tondraka ho ritra, ny aretina ho foana
Hifampiantsampy isika rehefa indreny tafahaona
ka tsy sarisary intsony no ‘ndeha hifanolorana
fa fitia tera-bony no tsy maintsy hifanohonana.
Heriarilala, 03 Mey 2021 in Tapikan'ny Fanahiko Tak 18
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana