Fomba hafa inona ? (Heriarilala Andriamamonjy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fomba hafa inona ?

Hitady fomba hafa tahaka ny hoe ahoana ?
Efa mba nandramana ny niezaka nitony.
Moa tsy heverinao fa fotoana very foana ?
Ka aza atao mahagaga raha mitroatra izato fony.

Teto an-tambajotra ny sehatra malalaka
nahafahan'ny rehetra nitondra ireo tsikera,
teto no nokianina ny resa-gaboraraka,
ka ny saram-pifandraisana no nakarina tsy ankiera.

Lazaina fa tsy mety ny maneho ny tsy tomombana
dia ho mpanompo mpankatò sy hitehateha-dava ?
Raha tsikaritra hoe diso ve dia mbola harovana
dia hifamitaka eto izany, fa tsy hifanazava.

Tsy fanabeazana ny manafina ny lesoka,
akondro mifanafin-dravina, tsikombakomba izany,
fitaka bevava ny tsy miteny fa miepoka,
sady fihatsarana ivelany, mandoza fahatany.

Ampahafantarina azy aza ikirizany tohizana,
mainka hoe toavina na tazonina ao anaty
dia aza mba variana raha ianao no andihizany
rangitiny eny foana, efa ho isan'andro vaky.

Fa misy tsy mahita ary misy tsy mahatsapa,
ireny indrindra mihitsy no hameloman-kiaka
mila atao fantany ny zavatra mandratra
ka aza mba rarana ny miteny sy mahavita !

Fa jamba izy ireo ka anjakan'ny toka-maso
tsy hoe miadana finaritra, fa tsy mahay ny zava-misy
ka izy ireo indrindra no ikiahanay tsy ankiato,
adidinay ny milaza, fa tsy hikombom-bava mihitsy.

Ka raha voatohintohina ny teto an-tambajotra
dia nivoaka ny olona nitady arabe,
ny eto rahateo toa ela vao ho tontosa,
ny fomba maro hafa, efa natao ange !

Heriarilala Andriamamonjy 04/10/25
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
14 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012