Izaho seraninao (Heriarilala Andriamamonjy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho seraninao
Vao tazako mandindona ny alokao sakaiza
dia miontana ny anatiko.
Mangalatra aho mijery hoe hanatona sa ho aiza
ny miandry toa tsy tantiko.

Ny tsangananao mijidina eo anoloana
toa mambabo ery.
Ny feonao tonitony, mamelon-karavoana
Ireto sofi-mankafy.

Dia tsy misy ifantohako ny resakao rehetra
f’izaho mba mody mihaino.
Sondriana am-pianohana ny kantonao mitoetra
etsy ange mba saino !


He ! Ity hanitrao miserana ny foko ngolingoly
no tena mahavariana.
Eny, hatramin’ny alina, tsy mampahita tory
fa manaraka am-pandriana.

Heriarilala Andriamamonjy, 3 oktobra 2020, in TAPIKAN'NY FANAHIKO, Tak 9

--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
30 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144