Kifamarafara (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KIFAMARAFARA

Reha ny fo midoboka ro hovoasina amin-droky
De angamba hitobatobaka ny fañomezan-toky
Kanefa izay aloha vô tsa azo irosoana
Fa aleo handeha ny ora, hiasa ny fotoana.

Ny aty koa tsa hivaly fa añao ro mandiniha
Manko tsa azo afendrapendraka ny tsiron’ny fitia
Fa agnao roe fa nitaroña namboraka mialoha
Ny aty vô valalanina fa mahandrasa moa.

Tsikirity momba fody hoa tsa tompon-dia fa mpañaraka
Se hifankatia atsika roa de esoro an-tsaiña ny hisaraka
Koa tsara aloha atsika re mifamarafara
Sao atsy aoriana kely dia hifanao kafara.

Reha kajaha tsa miava de aleo atao pika
Reha handalo fa tsa hitôtra de mandehana irika.
Ny fiaiñana eto an-tany hoa izay mitovy ro milambaña
Reha hifanara-tsaina atsika de afaka mikambana.

Heriarilala Andriamamonjy 20/11/2021
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
18 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012