Kinianian-tsomonga (Heriarilala Andriamamonjy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KINIANIAN-TSOMONGA ???Na “mody izy” ireny na “tena namboarina”
na volavolan-teny tinefy ho sary marina
dia ampoka ny foko, vontonao fitiavana
ny saha itsimohany, tsy hitrebona fandavana.
Fa raha sangy niangaliana no kinajikajinao
Dia "somonga" tena tiana no niainako azy izao
Fa na “saroro” ireny, na "jono an-delam-pintana"
Ny trondro homan-kankana tia misangy vintana.
"Sangy" hoy ianao mivolana, "lalao" no andraisako azy
Ny anao "tsy fahamatorana", ny ahy mba "vazivazy"
Ny resakao kivalavala miharo toetra vosobosotra
Izaho mahay mody adala amin’ny fiangaliana ankosotra
Nefa… raha "nofinofy" ireny hoe tena izy sady marina
"Angano angano" ekena hoe tsy mba namboamboarina
Dia "habobo" mba inoy hoe tena matotra ny aty
"Arira arira" ianohy, ekeo hoe tena tia.
Heriarilala Andriamamonjy
09:11 31/07/2022
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
