Neny (Heriarilala Andriamamonjy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NENYVehivavy lafatra mikatsaka ny hahasoa,
matetika no sasatra sy valaka tokoa,
kanefa tsy mihevitra ny hamelona taraina,
vehivavy mendrika tsy tia miferinaina !
Vehivavy miasa tsy mba misandry valaka,
maniry sy mikasa ny hahatafita zanaka
dia miteny sy manoro ny lalana mahitsy
tena sahy mijoro, raha mibedy tsy mitsitsy !
Vehivavy miavaka naniry ny fisiako,
niaro tsy ho solafaka, nitantana ny diako.
Tsy iza akory izy fa 'lay kitapo nifonosako,
ka aminy avy hatrany ny fitiavana no atosako !
Ka valimbabena inona no hasetriko ry Neny ?
moa tsy fahendrena sy fitiavana ombieny ?
Izay no hany tokana hanajako anao
dia hataoko asa koa ny hivavaka ho anao.
Heriarilala Andriamamonjy, 17/04/19 in Tapikan'ny Fanahiko, tak 8
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana ny ray aman-dreny