Ny rainy aloha tadiavina (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY RAINY ALOHA TADIAVINA

Raha misy zazakely nariana anaty fako
Ny rainy aloha tadiavina vao manompa tsy ankiato
ny kibo nifonosany,
io tsy hoe somongany
ka havelavelany eny
fa izy tsy hiteny
ny mafy mianjady aminy
afeniny ny mariny.

Matoa efa niaretany sivy volana an-kibo
dia fantany fa ivon'ny
fitia nifanolorana,
ka tsy foiny hofongorana
ka iandrandrany mpanavotra
ity zaza midaraboka.

Ny efa azo antoka dia ny rainy no nahafoy ilay tsy manan-tsiny.
Nanentsina tadìny
sy ninia nikimpy...
Izy izay mihitsy !

Ny rainy aloha tadiavina fa iny no namono mialoha
ny zaza tao am-po.
Nandositra adidy,
nandao tamin-tsafidy
ilay reny izay mavesatra...
Lehilahy mpihetraketraka !

Heriarilala 07-07-22
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
44 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0126