Ry fasana (Heriarilala Andriamamonjy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY FASANA

Nangalarinao ny havako tiako sy ny namako tsy foiko
Nentinao ankeriny, tsy nierana akory, nalaina an-tsokosoko
Kanefa mbola maminy sy sarobidy taminy ny fihavananay
Ary rah any sitrapony dia ora toy izao, miaraka eto izahay !

Dia tapitra ny nofy sy vinavina rehetra niarahanay nikasa
Ny fianakaviana no miara-manetsetra mahatsiaro irony lasa
Misaraka aman’aina no zava-mafy indrindra nefa tsy maintsy ekena
Sahy ratsy ianao ry fasana mpisompatra ny velona, mpandrava ny harena.

Dia maminao ry fasana ny mandraraka tomany olo-maro be
Ny mponina rehetra tamana eto an-tany no nindaosinao nandeha
Nahoana anefa ianao no tsy mety mionona ary tsy mety ho leo
Fa satrinao hatrany hampisentosento, hamelona toreo.

Ny tsy ampoizinao ry fasana dia any am-parany any haloanao ny maty
Hihaona ny mpihavana, ho faly fa tafarala, ianao no tsy hahatanty
Fa hilaozan’ireo voavonjy ka hahonena, eny, tena hangaina
Ireo mpandresy hihoby, hiroso hiaka-dapa, fa efa avotra aina.

Heriarilala Andriamamonjy, in Tapikan’ny Fanahiko, tak 4-5
--------
Lien:
Catégorie : Fahafatesana
122 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.014