SASANANGY SAMIHAFA (Heriarilala Andriamamonjy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SASANANGY SAMIHAFANisy lapa notafihina ka tso-drano no nalefa
Tsy teo raha notsirihina ny mpitarika ady anefa
Nandositra mialoha nanao takatsika ny kely
Ny sorona tokoa ilana anao manao vy very
Dia nisy olona nilamina nandia ny lalam-be
Raha tianao hofantarina, tsy mpandroba ireo ange
Ny mpitarika naratra, fa niara-niatrika ny nisy
Izay tratra aloha dia tratra, voasambotra k'indrisy
Nisy olona namotika miana-kendry mba mananatra
Mody mba mamotoka, mijoro, hono, fa filamatra
Ny rambony tsy ho tapaka no arovany amin'iny
Fa tsy izy hoe mpivavaka ka efa niova ankehitriny
Sasanangy samihafa ny diabe sy fandrobana
Raha jerena ange ny lasa, moa izao ilay fanovana?
Ny fahafaha-notakina, ankehitriny anefa aiza ?
Ny vahoaka ampijaliana, ny mpandoro no mitaiza ?
Heriarilala 07-10-23 15:13
--------
Lien:
Catégorie :
Famborahana ny marina