Tsimbadiky ny fiainana (Heriarilala Andriamamonjy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsimbadiky ny fiainanaFahiny indrindra, hono, Ravorona mahery
nirehareha fatratra ka nihinana ny kely
ny vitsika tsaingohiny, tsy misy ankitsetra
izy ange matanjaka ka tia nisetrasetra.
Ilaina koa ny homana rehefa mamelon-tena
ka ny maharary ny hafa odiany tsy jerena,
na iza sendra azy dia somparany eny foana,
satria ange tsy ampoiziny ny fiovan'ny fotoana.
Mandalo ihany mantsy ny fahasalamana
ny fahafaha-miaina voafetran'ny lalàna
tonga àry ny ora nahatapitra ny androny
nitsimbadika ny rasa, io ilay tsy tandriny.
Ny vitsika sakafony niantso tapaka sy namana
nanao fetifety fa ity vao hoe fihinanana,
ao ny nitondra nody namahana an-dRabiby
fa any aoriana kely, io koa tsy hanan-tsafidy.
Dia nisy koa alika namiravira ny henany
moa ho efany intsony ny hiaro izato tenany ?
Manody arivoarivo ny fanampatra fahiny ;
mitsimbadika ny fiainana, hendre ankehitriny.
Heriarilala 5/04/25 18:39
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana
