Tsy hiato (Heriarilala Andriamamonjy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HIATO

Androany aho mety ho sambatra, miaina anivon'ny voahary,
rahampitso mety hiambatra fa tsy misy lavorary
izay notontosaina sy kinasa hatao
mety halahelo sy hangaina ny foko ao.

Androany mety halalaka tsy hisy asa hanavesatra,
rahampitso tsy haharaka fa tsy misy vita petraka
ny tokony hatao ;
be loatra ny asako ao.

Andro hafa falifaly fa nahafa-po ny nisy,
andro hafa indray mijaly, tsy mba seranan-tsiky !
Dia mivadibadika eny ny hetsi-po mandalo
Ny rahona, masoandro, mifandimby, mifangaro

Kanefa...
Ny tranga rehetra misy tsy manasaraka amin'ny soratra :
na sento re na tsiky, dia mbola hipongapongatra
ny ainga anatiko ato
hanoratra aho tsy hiato.

Heriarilala 05/08/24 19:11
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
47 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116