TIA (Herimec)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maro ny hazo fa ny fary no mamy
Maro mpitady sady be mpanontany
Fa raha zazavavy de ianao no to raitra
Ka hitsabo ‘ty foko ka hametaka zaitra

Railovy no tsara raha vorona an’ala,
‘ty feony manga miantso malala;
F’ireo tovovavy ‘zay eto gasikara,
De ianao irery ihany no kanto sy tsara.

Betsaka ihany no niserana imasoko,
Samy amin’ny bikany ka samy nandrasako;
Fa ianao no niavaka ka finidin’ny foko,
Namoaka hery hafa fitia hafa loko.

Inty ny dia-peniko mba raiso, vakio,
Tenin’ny foko io ka raiso tadidio;
Tsy sangy sanatria fa hery manonja,
Tsy zakako intsony 'lay litera telo monja: “TIA”
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1005 0
Commentaires
Herimec ( 02/11/2010 05:37)
Tsy voatery izay rehetra mandalo eo ambanin'ny maso akory dia ho tiana avokoa, 'zany indrindra no nahatonga ahy hikalo fa misy fihavahany ny zava-drehetra na amin'ny lafiny inona na amin'ny lafiny inona.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Herimec
Inséré par : Herimec
Date : 02/11/2010 05:26
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138