Indroa amby roapolo impiry??? (Daz'art Tolotra)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
indroa amby roapolo impy aho
no niezaka nitia
toa very maina,
nandrera-tsaina
ny tenako aza nianahia
indroa amby roapolo impiry aho
no naniry azy, haka vady
nefa nilaozany nafoy
lay fitiavako nifoha
dia nongotany sahady
indro amby roapolo impiry aho
no mbola ho voadona
toa tsy adisoako
ka nandratra foko
ilay fitiavako vonoana

eny tamin'ilay andro faha-22
tamin'ilay volana faha-11
dia efa tsy matimatiko lolo
fa lay ora faha 22
zay voatondro sy voambara
hanovana ny tantara
izay ilay saika tsy nekeko
satria mantsy lay teny reko
tamin'izany fotoana izany
dia nandratra fo sy nampitomany
koa raha ho tsarovan'eto izany
dia lasalasa ny vinany
sady maha te-hanontany
hoe mbola misy izay anjarako ve any ho any???
23/12/12 Antsohihy (fahatsiarovana ny fisarahana tamin'i Mariella)
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - Fahatsiarovana
861 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Daz'art Tolotra
Inséré par : Iarindria
Date : 09/02/2016 19:54
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136