SAINO (ihafatra)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Saino kely ny tontolo
Izay rakotra hafaliana
Feno angatra sy lolo
Maro sento,fijaliana

Fantatrao ve ny fisiana?
Hainao ny famaliana!

Saino ireo andron'ny maraina
Ilay hakantony mazava
Saino aza miala maina
Ilay hasoany tsy rava

Neninao ve izao?
Ilay endriny efa aolo?
Ilay endrika sariaka
Efa osa mangatsika!

Raha nosaininao kely anefa
Ilay nataonao,tsy hefa
Efa kanto manjopika
Ity nosin-drazantsika
--------
Lien:
1066 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ihafatra
Inséré par : ihafatra
Date : 28/02/2015 08:21
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137