,,,INDRISY MANKO!! (ihafatra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indreny rahona misosa
Miara-mamindra toa tsy hifandao
Izato eritreritro miavosa,
Embonembona,tsiaro anao.

Fa nitamberina indray,
Ilay ora fahaizay
Teo anilan'ireo tiana
Vetsovetso,nahaliana!

Fa natelinao ry tany,
Ireny hafaliana ireny
Ka zary sento sy tomany,
Ny mitadidy an'i neny!

Indrisy manko ry tontolo
Fa nahoana no dia nalavonao
Ireo sarobidy amiko
Fa na ny olon-tiako aza
Toa mifanahin-jaza
Mitetitety toy ny lolo
Ka manakotsa izany tavako,,,
Eny,mivavaka ho anao aho rahavako!
--------
Rohy:
1241 1
Mpakafy: rhayman
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ihafatra
Nampiditra : ihafatra
Daty : 14/03/2015 14:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.116