Ianao hono (ikora)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha nihaona ianareo omaly...Moa mba tsapanao ve
Fa fifalina be ho azy
Ny maheno anao mitafa
Sy mijery anao mandeha
...Babo izy ka voasazy...
Dia niangaviny aho hilaza
Sy hamboraka aminao
Fa hono kay nivazavaza
Ny tao am-pony tao
Saingy tsy sahy nilaza
Fa niandry ny topi-masonao
Izany hoy aho no mba hafany
Ambetin-dresaka amin'ny tafany
Ianao hono tena maminy
Tena tiany tena laniny
Na fitafy na fibika
Ianao aminy,tsy tomika
--------
Lien: