Ny voninkazoko (Inofy)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa manja aok'izany ny voninkazoko iny Na eny an-tsaha eny aza
Ekeko fa tsy raozy fa vony tsotra monja
Kanefa tsara laza amin'ny mponin'ny fanahiko,
Eken'ny rehetra fa akaiky fanaperana.
Tsy vony adaladala na adala tompo
Fa tena nofinidy handravaka ny nofy
Eto amin'ny tontoloko
Ahy manontolo, ahy irery ihany.
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana