Mahereza! (Iony)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahereza!

Marina fa vitanao ny tsy mendrika
Aza sainina intsony izany fa izao
Mbola misy hantenaina tsy haharendrika
Dia ny Tompo no antsoy f'Izy tsy mandao

Aretina efa misy tsy azonao sakanana
Vokatry ny filàna tsy ampy fiheverana
Sazy henjana tsy hahitam-panàfana
Nefa aza kivy fa Izy tsy miserana

Ny lasa hadinoy, banjino ny ho avy
Andriamanitra itokio ary mibebaha
'Zay sisa hatao,saino tsy hiharan-tsazy
Apetraho Aminy fa Izy no hitahy

Raha azonao atao,aleo tsy afenina
Mahasoa ny hafa,ho tonga fianarana
Lazao ihany izay mba azonao tenenina
Teniteny kely miaro fananarana

Mahereza hatrany,miorena,matanjaha
Ny finoana hifikiro,aok'izay ny ahiahy
Mivonòna,misikìna hery mba ho sahy
Hampitraka 'zany loha handresy ny SIDA.

Iony R.
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
2352 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0197