Tia tsotr\'izao (Iony)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tia tsotr\'izao

Eny,ny fitia tena izy
Lazaiko anao tsy ankifidy
'Zay bitsihin'io fo io
Henoy tsara tadidio

Ny tian-kambara dia izao
Hosoratako ho fantatrao
Fa ny fitiavana tena marina
Manampy ny tiana ho tafarina

Ndrao ary fitia sotasota
Fadio fa fositry ny ota
Raha harena no enti-mitia
Hanenenana rehefa ary

Ny tena tia lazaiko ihany
Aleoko manafatra hatrany
Fitia madio,mora fanahy
Tsy mitady ny "hahasoa ahy"

Fa rehefan tia...tia tsotr'izao
Tsy mila tambiny ary tsy miandry valiny
Andramo dia hotsapanao
...ny halaliny ao am-ponao ao

Iony R.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2582 0
Hevitra mandeha
vetsoko ( 13/12/2005 14:40)
tena tsapako ianao fa tena tia saingy ny mampalahelo anie ry iony dia izao e! tsy mahasambatra ny tia fotsiny ,ny mifankatia no tena izy sa ahoana,mirary anao ahita ny tinao sady tia anao.
Iony ( 14/12/2005 11:30)
marina zany "vetsoko" nefa misy anie ny diso fanantenana @ fitia atolotra azy dia mihevitra fa tena mifankatia ry zareo dia manjary mampalahelo e!
hasiniony ( 21/01/2006 08:26)
Ny atao hoe fitiavana dia SAHAN'ADY iray izay irin'ny fon-tsika ho vakivakiana kanefa ny mampalahelo dia RAOZY monja no mba eny an-tanantsika"
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098