Fa Jesoa no miahy (Iriantso)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izay rehetra mety ho ilaikoSy izay mety ho andrandraiko
Dia avy amin'ny Ao ambony
Nohon'ny famindram-pony
Izay mitranga amin'ny fiainako
Mampanahy ny fisainako
Dia apetrako amin'ny Tompo
Ka tsy mba manahy ny foko
Mety ho tsy ampy, mety hihoatra
Mety hihemotra, mety hivoatra
Fa izany tsy hahasakana
Raha Jesoa no mitantana
HE milamina ity foko
Faly afaka toloko
Tsy matahotra tsy manahy
Fa Jesoa no miahy
--------
Lien:
Catégorie :
Fiderana
Fans:
Iriantso