Resy tsy miady ? (ItokianaGasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ekeko tokoa fa tsy misy izany
Olona iray izay resy tsy miady
Fa ity fiainana ity dia ady sy tolona
Ary io ny mampiavaka ny mahaolona!

Fa raha ny olombelona, tokoa hono mantsy
Mikatsaka izay tsara hatrany,
Tsy maintsy mitady izay kely ho vatsy
Raha te hiadam-piainana, any aorina any!

Adalàna ho an'ireo, kivy am-panombohana
Milavo lefona avy hatrany, vao sedra olana.
Fa raha ny fiainana hono, toy ny kodiaran-tsarety
Androany ianao ambany, rahampitso lasa metimety!

Daty : 22 Febroary 2020
--------
Lien:
Catégorie : Fananarana
56 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ItokianaGasy
Inséré par : ItokianaGasy
Date : 02/03/2024 14:47
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145