Tolona irery (ItokianaGasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inty aho irery
Aty an-tanin'olona
Hikatsaka ny hoavy!

Tsy misy ny mijery
Na miaraka mitolona
Fa lavitry ny niavy!

Hitady ilay maraina
Maraina vaovao
Izay mbola tsy niposaka!

Anefa tsy hitaraina
Na koa hoe hitalao
Ranomaso tsy harotsaka!

Mahaiza re mitady
Hoy ilay mpandinika iray
Aza manaiky ho resy!

Satria:
"Tolona sy ady
Anie ny fiainana
Ka zara ho an'izay
Manam-pinihavana handresy"

Daty : 29 Aprily 2019
--------
Lien:
Catégorie : Fananarana
65 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ItokianaGasy
Inséré par : ItokianaGasy
Date : 02/03/2024 14:55
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143