atolotro ho anao ity tono (Jayah Razafi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
atolotro ho anao ity tononkalo ity
ry ilay tokana finidiko
ataoko fanomezana ho an-dry
ry ilay harena sarobidiko,

atolotro ho anao ny fanahy raiketiny
ho diamondra hiravahanao
ka ny rima no manendrika ny tefiny
Hanaingo ny atifonao

antsaiko am-pitsikina,mora,soa filanto
hanako ao an-tsofinao ry malala
omeko aina,hiangaliako toa anao kanto
ny fitiavako na oviana tsy miala

ataoko ho solom-bonikazo tsara sady manitra
fa ity tsy mba halazo na oviana
ataoko solom-bavaka ho an' Ilay Andriamanitra
fa nanome ahy anao ho olotiana

koa ataovy tsara tandrina iky ry malala
tsy hisy izay hangalatra,
fa raha sendra ny tsy vanona hankahala
dia mba koloy fatratra

Jayah Razafi
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1606 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105