Asa...! (JORO)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asa angamba fa tsy haikoFa toa misy hery izay mibaiko
Manesika ahy mangina
Te hiresaka aminao ry tiana
Toa hery avy ao anaty
Mitroatra mila tsy ho tanty
Mahalasalasa ny vinany
Tsy mampipetraka amin'ny tany
Mahery vaika tsy hay tohaina
Mila haningotra ny aina
Manonja mafy tsy hay fefena
Mahery setra tsy hay resena
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy