Fanjonoana (KALASOA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho dia bandy tia vehivavy
Nefa tsy mety mahazo ny tsara sy favy
Fa tsy misafidy aho na mahia na matavy
Na farafaharatsiny mba sarimbavy

Ka izany no hiezahako mafy
Ikarakarana tarehy sy fitafy
@izay mba hazaka ny tsara sy tiana
Korontana lava eo ambonin'ny fandriana

Ka iza @ nareo no mety ho anjarako?
Ho ampidiriko ato anatin'ity tantarako
Tantara ho ezahana avoaka milay
Raha liana @ izany dia ity ny finday

Zero ny voalohany
Tsy maintsy io ny fanombohany
Fantaro ny sisa
Dia mahaiza manisa
--------
Lien:
Catégorie : Hatsikana
832 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : KALASOA
Inséré par : kofahti
Date : 01/07/2013 19:24
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014