"isika roa" (KALO-TIA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa ho taona iray tokoa
Izao no niharahatsikaroa
Ka mitsingerina androany
Izany daty izany
Ka nanomboka teo dia niara-dalana ny fo
Nandroso sy nihainga ilay sambotsikaroa
Maro anefa ny nandrava sy nisakana ny dia
Nandalo fisedrana mafy teny an-dalan’ny fitia
Hatezerana, alahelo, nolalovatsika teo
Ny fifamaliana hasosorana, teny mankarary fo
Izay nitranga sy niseho asa raha mba mahasoa
Izany rehetra izany angamba no atao hoe fitsapana?
Sy fitaovana andravana ny efa fikasana?
E! Niaritra ny mafy ilay sambokelitsika
ka efa saika rendrika, nilentika dia tsy hita
Efa saika ravarava, potipotika sy simba
Satria maro fahavalo izay tena mafy indrindra
Indraindray ity sambotsika sendra rivotra mahery
Ka ny tanjony amin’izany dia ny amelatsik’ irery
Indraindray ity sambotsika sendra onja tsy hay zakaina
K’izato kapoka alefany tena mihatra aman’aina
Nefa na dia teo aza, izany rehetra izany
Isika roa tsy mba leo fa nifankatia hatrany
Tsy nahasakana antsika ireo fitsapana nifanesy
Ny sambotsika dia niroso tsy nanaiky ny ho resy
Mafy orona tokoa raha ilay fitiavatsika
Samy mihandrandra fandresena sy maniry ny ho tafita
Ka izaho sy ianao, ilay handrafitra tantara
Ka n’inona n’inona miseho dia efa ianao no ilay anjara
Ka eo am-pelatananao ry Ray, ity fifankatiavanay
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
2122 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : KALO-TIA
Inséré par : KALO-TIA
Date : 10/10/2015 04:22
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117