Aleo izy.. (kanto sarobidy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleo ho izy ihany,no hanjera izay najoroIzay nanorenany aoka izy no hampikoro
Fa aza ianao mikitika ny tiany sy napetrany
Fa azy ny tontolony ny didi sy ireo fetrany..
Aza akory ianao,misaina ny anadino
Na mafy sy mafaitra ary intsony koa tsy hino
Fa izy no nametra ny ao am-ponao tsy ho any intsony
Ka aleo hijanona eo,hiandry izay an-tsitram-pony..
Aza misaina akory,ialoh' ianao handrava
Ny zavatra heverina mirindra sy mazava
Ka aleo izy mihintsy no handidy hatram-farany
Fa mbola izy no manjaka nanome anao ny anarany..
ka efiho na dia mangidy...
satria hono " Kanto Sarobidy..."
--------
Lien: