Henjim-pitia (kanto sarobidy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny kely mba nananana,sy tsara ka tahiryDia maro mpankahala,tsy ilaozan-dromoromo
Fa maro ireo mpanenjika mifikitra mikira
Ny handrava izay najoro,mitetika ny hamono
Tsy ahoanay nefa izany,tsy mba hampaninona
Fa tsy hainy ireo akory izany FO miara-droa
Maika hanatevina ny anatin'ny finoana
Ka n'iza re hisompatra dia reraka tsy ho tò
Tsy tsapan'izy ireo izay fitia anatinay
Fa tokana ny azy ,tsy hisy raha tsy hanenjika
Fa monja ny voady dia ny hoe mandrakizay
Ka vizana sy tofok'eo ireo izay mikasa handrendrika
Sarotra ravaina,tsy ho tratran'iza izany
Fa lalim-paka anie ny fitiavanay am-po
Fo mitempo iray ,no miaraka hatrany
Manjaka anatinay ny ha-MAMI-ana miaro ZO...
--------
Lien:
Fans:
kanto01