izay ratrako... (kanto sarobidy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ho ampafantariko azy,izay rehetra ratrakoTsy holazaiko akory ireo teny izay tsy zaka
Fa entiko eny, na mavesatra ato an-tratrako
Ilay teny naloakan'ny vavanao nandratra
Iniako tsy ho tsaroina ireo endrikao masika
Rehefa injay nilaza ny fiafaram-pitia
Niniako nohadinoina ihany koa ireo sariaka
Nasehonao ny masoko nisarika ho doria
Hiezaka aho hitodika hitsinjo indray ny hoaviko
Hitraka tsy ho kivy raha sendra alahelo
Hitsika n'aiza n'aiza ny lalana ho diaviko
Na orana mitraho na aizim-be mpamerovero
Hijery indray ny ho tohin'izay mety hiafarana
Hivohy ny onjam-piainana sy ny setrasetrany
Mandram-piavy indray ilay fotoam-pitsarana
Ilay hany tokan-teny izay tsy hanam-petrany
--------
Lien:
Fans:
kanto01