Tsiaro manadala (kanto sarobidy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy tsiaro tsy hay adino fa mifikitra ato anatyTadindon'ireo ratra,tsy mety levona ao am-po
Mikiky sy mandrava ny ati fo mila tsy ho tanty
Fa maika koa mitsiry sy mamoha tsy mety ho lo
Misy tsiaro tsy hay hakisika ny aminy rehetra
Mandindona anoloana,tsy manaiky ny ho lembenana
Tsiaro tsy hay tohaina mitsihy mahery setra
Fa misisika tsy laitra ato anaty mba honenana
Misy tsiaro manoloana izay efa hodin-tsy hita
Fa maika ko manjelatra mamonjy ny hazavana
Miboika loharano manambara fa tsy ho ritra
Ny fitiavana ao am-pony mampiseho ny fahazazana..
--------
Lien: