Vavaka.. (kanto sarobidy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Natrakako ny lohako,nibanjina ny lanitra..Mahita ny hatsaran'ny volana sy kintana..
Mantany foana hoe:ao ve ilay Andriamanitra
mijery ny alaheloko rehetra sy ny vintana...
fa maloka ny androko..
ka malemy koa ny sandriko..
Nakipiko ny masoko,nivavaka aho mangina..
Fa mafy ny alahelo,ny sento sy ny setriny..
Ka hanafaka ireo olana mianjady an'olotiana..
satria mahery tsy hay tohaina ny setrasetra entiny
ka hiangaviko anio..
mba tohana sy ampio..
Hamarana aho ny teniko sy ny faniriko
Raha toa ka sitrakao sy tsinjonao ry ray
Dia tahio sy harovy ny fo tia ,fa mbola tiako ..
ny hitambaran'ny fonay ho iray mandrakizay
Fa mamiko ny fony..
ka tsy mila aho hafa intsony...
--------
Lien:
Catégorie :
sitraka sy setriny - fanantenana - Vavaka - embona - Alahelo - Aingam-panahy - Fitiavana