Tsy foiko (Kanty)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Te hilaza fotsiny aho hoe : „mamiko“ Tena mamiko ianao ry silan’ny fanahiko
Ny hilazako anao dia hoe : „fanala“
Namana tsy manan-tsahala.
Raha ny feon’ny foko no henoiko
Dia mitepo hoe : „tsy foiko“
Tsy foiko mi’tsy ho an’olon-kafa
'Reo fiainantsika rehetra lasa.
Fa fitiavana efa tsara rary
Hatreny Ambohitrandriananahary
Ka mbola hotohizana eny Ankaratra
Sy ny sisa... Tena lafatra!!!
--------
Lien: