Embona tsy hita maso (Karynah)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eritreritra mandeha, miantefa any ho any,Any ambadiky ny havoana sy ny rahona manombana
Mahatsiaro ireo fotoana nisy mamy teto an-tany
Mamy sady fy tokoa nefa kosa ka dia fongana
Hitako eto indray izao ilay endrika notiaviko
Ilay bika mamiko iny, izay nambabo ny fitiavako
Eo am-pijerena sary no andefasana eritreritra
Dia mifoha ilay fitia, vetivety dia mirehitra
Aiza nefa ry elanelan-tany no ahafahako hankany?
Ny fisainana an\'izany mampirotsaka tomany
Ilay fitia voahosihosy tsy mba nojereny akory
Eny koa ry olona iny, ry fo vato tsy mba ory...
Nantenaiko, nandrandraiko, ny hiaraka aminao
Nofinofy tsy hita lany, faniriana taminao
No niantefa avokoa... vahobahotra ny vavako
Raha nitory taminao ny faniriako sy fitiavako
Nobanjininao ny tenako, dia nitodi-doha ianao
Tsy mba meva mantsy aho ka tsy mendrika anao
Eny kanto sady soa tokoa ianao ry sombinaina
Nefa rahoviana intsony moa ianao no hantenaina?
Ny kapoakako hosotroiko raha izay no anjara
Any lavitra any ianao, moa tsy ho sendra ireo tsara
Ny fitiavako hototofako, tsy avelako hamony
Ry lahatra o! ry vetsovetsoko! Aoka tsy hankany intsony.
Karynah.
--------
Lien: