Fetinao Anio (katiaa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atolotro ho an' ilay namako iray izay ho fahatsiarovana ny 11 Jona 2010.

Fetinao androany ka tsy haiko ny hangina
Mirary soa mirary tsara na dia lavitr' olon-tiana
Enga anie ny andro anio sy ny arivo mitsingerina
Hanome fifaliana sy hasambara-tsy voantentina

Tongava soa, enga anie hahazo izay irian' ny fo
Kariera, tokantrano, ny ankizy sy madama koa
Hahazo 'zay rehetra irina, hahita ireo 'zay notadiavina
Ka ny fiainana ho feno, izay nambolena koa handravina

Misaotra tamin' izay nomenao misaotra tamin' ny finamanana
Misaotra fa tena tsy irery nisy anao tsy nialangalana
Ny Ao Ambony anie hamaly ireo vitanao rehetra
Misaotra zato heny arivo misaotra anao tsy misy fetra




Melun 11/06/10
--------
Rohy:
Sokajy : Tsingerin-taona - Fety - Namana
3025 0
Hevitra mandeha
makouto ( 12/06/2010 08:33)
misaotra betsaka tsy haiko ny hamaly ny nataonao fa ao ny ao ambony hanonotra avo arivo heny zay rehetra vitanao
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : katiaa
Nampiditra : katiaa
Daty : 11/06/2010 12:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01