Alina mangiana (Lady Landy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alina mangianaIzaho irery angamba?
No mivandravandra sy midiridiry
Tsy mahita torimaso mamy
Amin'izao alina mangiana!
Izaho irery angamba?
No any sisa olombelona
Tsy resy tory sy tsy mety ho rendremana
Amin'izao alina mangiana!
Izaho irery angamba?
No mivadika ati-doha
Adala very saina
Mijery lera isa minitra
Manontany tena foana
oviana ihany vao maraina?
Alina mangiana
Lady Landy
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana - Aingam-panahy
