nofy (lanjaadalampitiavana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
hoy ianao moramora
avia hanatona ahy
taitra aho toa voadona
voasarika tsinahy
Ka namikiviky nihazakazaka
ny hatsembohako nipatrapatraka
niezaka ny hamoaka feo saingy ... tsy afaka
Tampoka anefa
toa maizina avokoa
ny hitako rehetra
niodina aho nijery
hay izaho ity irery
hay izaho ity natory
fa tsy fantatro akory
Teo aho vao tonga saina hoe:
hay ilay teninao nandrotsirotsy
ts'inona fa embona sy tsiahy
ka voarakitro ho nofy
namezivezy ny fanahy
--------
Rohy:
1789 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lanjaadalampitiavana
Nampiditra : lanjaadalampitiavana
Daty : 15/11/2003 08:04
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092