Commentaire à propos de MAMPANONGO TENA

Revenir à MAMPANONGO TENA
heritreritrO ( 26/07/2025 13:51)
Kanefa dia ny fianarana
No hany tohatra fiakarana
Sy hany azo ampiasaina
Hamolavola ny toe-tsaina
Hiady amin'ny fahantràna
Tsy hanaiky fandrobàna
Rehefa indro avy any, miainga,
Ireo mpandahatra ny lainga
Miambo ho antoky ny fitondràna
Manjakazaka eto an-tanàna
Ety ivelany manadio tena
... Fanetry ben'ny firenena!
Omeko ohatra ianao:
Any ambanivohitra any
Mbola misimisy tany
Tsiriritin'ireo mpanana
Izay ambonimbony namana.
Ny tompon-tany moa tsy nianatra
Tsy mahay mamaky teny
Nihevitra fa hampisandratra
Ny famaliana amin'ny "eny"
Karazan-taratasim-barotra
Noheveriny ho fampanofàna
Hiadiany amin'ny sarotra
Hidiram-bola isam-bolana
Ka tsy nahitany olana
Kanjo rehefa nitsingerina
Ny efatra herinandro katroka
Tokony nandraisam-bola
Indrisy niondrika sy matroka
Resy, lavo, eny : kola !
Namidiny hono kay ny taniny
Ilay lova tena maminy
Ka tsy hamerina azy intsony
Ireo namitaka ny fony
Nampanantena fivoarana
Amin'ny hofany avo sarany
Ilay saika ho lovan-janany.
Ajouter un commentaire
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.009