MAMPANONGO TENA (LAVENONA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMPANONGO TENA !

Raha ny fampianarana
no mbola ho andraindraina
atao tohotra hiakarana
dia ... kitana isaina !!!
Fa ny tena izy...
dia... fendemena saina !
Raha ny hoavin'ny akizy ?
Intsony tsy antenaina!
Indrisy mahonena...
ny akizy malagasy
Eny...! Mampanongo tena...
izato lakilasy...!
Mampihidy vazana
sy mampivarahontsana
izato tanindrazana
mirona anaty hantsana
Indrisy ka indrisy ...!
Raha ny hoe "fandrosoana" !?
Izany aloha tsy misy e!
Fa fahantrana foana
no sakafo hatramin'izao
Izay no azoko lazaina !
Ka hafatro dia izao :...
Ho fitsinjovantsika ny taranaka any afara
dia ndeha isika HIVAVAKA !
ho an'i Madagasikara
mba tsy mivarina any an-davaka!

LAVENONA
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
689 1
Fans: LEVASOKA
Commentaires
heritreritrO ( 26/07/2025 13:51)
Kanefa dia ny fianarana
No hany tohatra fiakarana
Sy hany azo ampiasaina
Hamolavola ny toe-tsaina
Hiady amin'ny fahantràna
Tsy hanaiky fandrobàna
Rehefa indro avy any, miainga,
Ireo mpandahatra ny lainga
Miambo ho antoky ny fitondràna
Manjakazaka eto an-tanàna
Ety ivelany manadio tena
... Fanetry ben'ny firenena!
Omeko ohatra ianao:
Any ambanivohitra any
Mbola misimisy tany
Tsiriritin'ireo mpanana
Izay ambonimbony namana.
Ny tompon-tany moa tsy nianatra
Tsy mahay mamaky teny
Nihevitra fa hampisandratra
Ny famaliana amin'ny "eny"
Karazan-taratasim-barotra
Noheveriny ho fampanofàna
Hiadiany amin'ny sarotra
Hidiram-bola isam-bolana
Ka tsy nahitany olana
Kanjo rehefa nitsingerina
Ny efatra herinandro katroka
Tokony nandraisam-bola
Indrisy niondrika sy matroka
Resy, lavo, eny : kola !
Namidiny hono kay ny taniny
Ilay lova tena maminy
Ka tsy hamerina azy intsony
Ireo namitaka ny fony
Nampanantena fivoarana
Amin'ny hofany avo sarany
Ilay saika ho lovan-janany.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0116